Antipanahy Ramahery

Directions

Antipanahy Ramahery Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Antipanahy Ramahery, History Museum, Antananarivo.

"TEMPUS FUGIT, HISTORIA MANET"
Mihazakazaka ny fotoana, fa ny tantara mitoetra

Pejy vaovao hamongarana ireo raki-tadidin'ny Ntaolo Malagasy, tahirin-tsary sy soratra mpamoha ny ela, mba ho vatsy enti-miatrika ny anio sy hibanjinana ny ho avy

Salama tompoko!Hiresaka vetivety mikasika ny "Famadihan-drazana" aho. Mbola ao anatin'ny vanim-potoanany rahateo isika r...
29/08/2026

Salama tompoko!

Hiresaka vetivety mikasika ny "Famadihan-drazana" aho. Mbola ao anatin'ny vanim-potoanany rahateo isika raha ny eto afovoantany manokana. Ho anay manokana izay lehibe sy nipetraka tany ambanivohitra dia mety mahatsikaritra fa efa miha-lefy izy io ankehitriny, izay aloha no tsikaritro manokana. Aiza izany fony fahakely izany, amin'ny vanimpotoana tahaka izao, saika isan'andro no nijery Mpamadika arahin'ny Mpitsoka mozika sy mpively Amponga mandalo eo amin'ny arabe eo ambany andrefan'ny Tranondrazanay teo Andraifaingana Ankadivoribe atsimo. Mbola tadidiko tsara ny fanaonay tamin'izany fa rehefa mandalo eo anoloanay ireo Mpamadika dia antsoinay mafy hoe: "Aoreno eo e!", dia eo aloha mijanona mandihy sy mampandihy tsihy eo anoloanay eo izy ireo alohan'ny hanohizany ny làlany mizotra mankeny amin'ny Fasana. Fa inona no antony maha somary lefy azy ity ankehitriny? Ny fahantrana ve sa ny fandrosoan'ny fivavahana kristianina, sa antony ara-pahasalamana araka ny voatonona matetitetika rehefa misy valan'aretina toy ny pesta sns...?
Tiako marihina fa tsy hilaza ny maharatsy na ny mahatsara ny famadihana ny tanjoko eto, na koa hamakafaka ny hevitra fonosin'ny famadihana, fa mba namadibadika ny voalazan'ny Raki-tsoratra tranainy mikasika azy io , ka mba te hizara izany.

Raha ny voalaza tao anatin'ny Diarin'Ingahy (na ilay antsoin'ny Mpikaroka tantara hoe Journal du Premier Ministre Rainilaiarivony) dia efa talohaben'ny nidiran'ny Fivavahana Kristianina no tsy dia tena nankasitrahan'ny Fanjakana teto Imerina loatra ny fanaovana ny Famadihana, na dia tsy noràràna mivantana aza. Ny antony voalaza dia noho ny Famadihana noheverina fa miteraka fandanindaniam-poana. Natao karazana lalàna mihitsy fa na iza na iza havadika, eny na olona nanao soa lehibe amin'ny Fanjakana aza dia tsy mba nanaiky hanome vola azy ireo mihitsy ny Mpanjaka. Ny ohatra notanisain'ny Rakitsoratra teto dia ny tamin'ny famadihana an-dRainimaharo rahalahin-dRainiharo izay tsy naneken-dRanavalona I ny hanomezana vola na dia variraiventy aza, mitovy amin'izay ihany koa ny tamin'ny famadihana an-dRanindrakoto mpitaiza an-dRakotondradama fahiny.

Dia ity koa ny anakiray: Mbola voalaza ao anatin'io Rakitsoratra fahiny io ihany koa fa Andriantsimitoviaminandriana Mpanjakan'Ambohimanga no namoaka didy fa (sic): "Ny fianakavian'ny Mpanjaka na aiza na aiza dia izay tany ilevenany dia izay no ilevenany fa tsy azo havadika". Didy izay mbola notanan'ireo Mpandimby azy taty aoriana. Inona ary no antony? Raha ny voalazan'nio rakitsoratra io ihany dia tsy tena resaka ara-pomba araka ny fiheveran'ny maro azy loatra. Hoy ny voasoratra: "Ary ny antony nanaovana izany lalàna izany dia ny tsy hahalany foana ny fananam-bahoaka fa be no lany vola betsaka amin'ny fanaovam-pasana sy ny famadihana, ka noho ny fahalalan'izany dia tsy navelany hamadika ny fianakaviany, nefa ny vahoaka tsy mba norarany fa mba ho vavolombelona ny tsy fankasitrahany ny famadihana dia nataony didy tsy havoaka homena ny vadika ny volany”. NB: Fanampim-panazavana kely: “Ireo Andriana tompomenakely fahiny rehefa misy maty ohatra na koa manao raharaha manokana toy ny fanaovampasana sns dia manangona vola amin’ireo vahoaka ao anatin’ny Menakeliny, ka mampimenomenona ny olona izany. Izay izany raha ity voalaza ity no antony nandraran’Andriantsimitoviaminandriana ny Mpianakaviny tsy hamadika, ka nahatonga ilay fomba hoe: “Ny Andriana tsy mba mamadika”. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny eto dia hoe ny sokajin’Andriana rehetra teto Imerina ve no voakasik’io sa ny Havan’ny Mpanjaka akaiky ihany? Ny misionera anglisy James Sibree ohatra ao amin’ny bokiny dia mitantara ny famadihana manetriketrika nation-dRamaka Andriamasinavalona teny Anosy Avaratra tamin’ny fotoan’androny. Taty amin’ny vanimpotoanan’ny fanjanahantany moa dia maro ireo Andriana navadika, raha tsy hitanisa afa-tsy ny namindrana an’Andrianamboatsimarofy ho eny Antsahadinta, ny namadihana an-dRapoenty teny Ambohidrabiby, ny famadihana manetriketrika an’Ingahy Razanatefy Félix sy Raharivelo teny Fenoarivo tamin’ny taona 1934, ….Ny famindrana ny taolambalon-dRanavalona III tamin’ny taona 1938 izay mbola resaka hafa ihany koa , sns sns.

Farany, tany amin’ny taom-polo 1930 tany ho any dia nangalan’ny Fitondrana kôlônialy vidin’hajia 20 frs isakin’ny razana havadika ny fianakaviana nanao fangatahana hamadika ny havany, raha toa ka 2frs monja no alaina amin’ny fangatahana hafa. Ny antony voalaza dia mba ny hahatonga ireo Fianakaviana tsy manankatao loatra mba tsy hamadika noho ny fandaniana be aterany. Nahazo tsikera maro moa ity Didy navoaka ity tamin’ny fotoanandrony.

Sary fanehoana: Famadihana tety Ambohijanaka nalaiko sary tamin’ny taona 2017

Miarahaba tompoko!Lapa   tao Anatirova : Famerenana ny mety ho endriny (Reconstitution), niainga avy amin'ny voalazan'ir...
15/05/2026

Miarahaba tompoko!

Lapa tao Anatirova : Famerenana ny mety ho endriny (Reconstitution), niainga avy amin'ny voalazan'ireo Arsiva maro samihafa, ary narafitra sy natambatra tamin'ny alalan'ny Artificial Intelligence (AI)

Rehefa mitsidika ny Rovan'Antananarivo isika, dia mahita Andry vato maromaro mijoro mifanitsy, ery ambony atsinanana somary atsimon'ny Tranovola ery. Ireo no sisa tavela tamin'ilay Lapan'Andriana nantsoina hoe "Kelisoa". Isika rehetra mbola velon'aina ankehitriny dia azoko antoka fa samy tsy mbola nahita maso izany Lapa izany satria efa mihoatra ny 120 zato taona no naharavàny, ary Mino aho fa maro amintsika izay nandalo sy nahita io toerana io no manontany an'eritreritra hoe: "Mba toy ny ahoana lahy ny endrik'izato trano izato fony mbola nijoro?" Ny sary arsiva rahateo tsy dia nanome valiny mahafapo hatreto: Raha izaho manokana dia tsy mbola nahita sary feno sy akaiky maneho ny Lapa Kelisoa fa ankoatra sary ampahany tazanin-davitra dia ireo sary maneho ny faharavany tany amin'ny fiandohan'ny fanjanahantany ihany no mba hitako. Ireo Mpitari-dia ao Anatirova moa rehefa manazava amin'ny Mpitsidika ny tantaran'io Lapa io dia milaza fa teo no nisy ilay Lapa nazeran'ny tifitra tafondro nataon'ny Tafika Frantsay avy etsy Andrainarivo ny 30 septambra 1895. Misy boky maromaro ihany koa no manamafy io tantara io....Saingy tena izay tokoa ve no naharava an'Ikelisoa? Ahoana hoy ny Arsiva? Ho valiantsika etsy ambanimbany io fanontaniana io, fa andao ary aloha hiverina amin'ny Tantaran'i Kelisoa.

Ety am-piandohana dia tsara ny manamarika fa efa nisy Lapa nantsoina hoe "Kelisoa" teo amin'io toerana io tamin'ny andron-dRadama I, saingy efa nesorina taty aoriana. Ranavalona II kosa no nampanao ity Lapa Kelisoa tamin'ny endriny vaovao ity tany amin'ny manodidina ny taona 1870 tany ho any araka ny voalazan-dRainimavo Razakason, tandapa sy Dekan'ny Praiminitra tao amin'ny raki-tsorany (Cf. Rainimavo Razakason, Ny sary trano sy ny Plan ary ny ao anatiny amy ny Lapa Ambony (Kelisoa ambony) sy Kelisoa ambany ary Tasarahafatra, 1 septambra 1891). Tsipihiko manokana eto fa ankoatra ireo fanazavana vitsivitsy voalazan'ny Firaketana sy ny hita tao anaty Diarin'ny PM, dia ity Tahirin-tsoratra nataon-dRainimavo Razakason ity no azo lazaina fa tena sarobidy indrindra sy milaza amin'ny antsipirihany ny firafitr'ny Lapa Kelisoa avy ao anatiny sy ivelany, ary tsy vitan'izay fa mbola nampiany kisarisary, somary "Naïf"sy "Bontolo" , saingy tena nanampy be dia be tamin'ny fanaovana ny "reconstirution". Toy izao ary no voalazany, raha atao ambangovangony:

Mizara roa ny Lapa Kelisoa dia ilay antsoina hoe "Kelisoa ambony" sy "Kelisoa ambany".
- Ny nantsoina hoe "Kelisoa ambony" dia ilay Trano hazo sy mitafo fanitso eo amin'ny lafy avaratra (Eny! efa nampiasa fanitso nafarana avy any ivelany tamin'izany). Trano misy rihana izy io, ary ny rihana ambony dia misy fitaratra manodidina (namafisin'ny Firaketana ihany koa ity), tsy misy efi-trano ary ao no itoeran'ny Mpanjaka sy ny Prime Minister sady trano fandriana . Ary izao avy no ao anatiny (sic):Fipetrahan'ny Mpanjaka,Fipetrahan'ny Prime Minister,Farafara, Lalimoara,Vata, Lalimoara fitaratra, piano, *sekirin (?). Ny ambany rihana amin'io Trano hazo ao anatin'ny "Kelisoa ambony" io kosa indray no trano nipetrahan'ny Printsy Rakotomena zana-drahavavin-dRanavalona III (Ny tsy fantatro dia hoe vao tamin'ny fotoana nanjakan-dRanavalona III ve vao nipetraka tao Rakotomena sa efa hatramin'ny fotoana nanjakan-dRanavalona II. Anisan'ireo taizan-dRanavalona II koa mantsy ny Printsy fony mbola zaza). Mbola Kelisoa ambony ihany: Ilay lavarangana (lampihazo) eo ambonin'ny trano biriky io dia fipetrapetrahana sy filalaovan'ny Mpanjaka sy ny Andriambavy amin'ny antoandro.
Io trano hazo (Kelisoa ambony) io dia mitovitovy endrika amin'ilay lapa antsoina hoe "Antranofitaratra" etsy Ambohimanga izay Ranavalona II ihany koa no nampanao azy;

- Ny nantsoina hoe "Kelisoa" ambany indray kosa dia ilay Trano biriky mitafo fanitso ambany lavarangana. Tsy fantatra mazava izay daty nananganana azy io, fa raha ny fiheverako manokana dia tsy niara-natsangana tamin'ilay Trano hazo izy fa natao taty aoriana (mety efa tamin'ny nanjakan-dRanavalona III?). Trano vaky lalantsara izy io, izany hoe misy lalantsara eo afovoany, ary ny andaniny avaratra sy atsimo dia mbola samy mizara ho efitrano kely roa avy, izany hoe mizara ho efitra efatra miampy lalantsara. Ao amin'ny efitra avaratra andrefana no nipetrahan'ny Printsesy Razafinandriamanitra (anabavin-dRakotomena printsy), ao amin'ny avaratra atsinanana dia fanoratan'ny Roambinifololahy Mpanoratry ny Mpanjaka (misy latabatra fanoratana), ny efitra ao atsimo andrefana dia fipetrahan'ny Mpanjaitran'ny Prime Minister (misy lalimoara lehibe), ary ny atsimo atsinana dia fipasohana ny akanjo sy ny lamban'ny Mpanjaka sy ny Prime Minister ary ny Zanakandriana (misy latabatra fipasohana).

Toy izay ny ambangovangony voalazan'ireo Arsiva mikasika ny Lapa fa hiverenantsika kely ny momba ny fotoana sy ny antony naharava azy. Araka ny voalaza tetsy ambony dia maro ireo mihevitra fa voatifitrin'ny tafondro izay nikendren-dry Jeneraly Duchesne ny Rova tamin'ny 30 Septambra 1895 no naharava azy. Ity anefa no mahagaga: Tao amin'ny Gazety malagasy (Journal officiel) nivoaka ny 20 martsa 1896 dia nahitana teny toy izao (Vaovao samihafa): "Tamin'ny Alahady 15 Mars dia nakarina ho tsaboina any Anatirova ao , Ramatoa Razafinandriamanitra Princesse fa marary. Araka ny filazan'ny Dr dia amin'ny atiny no misy maharary azy; nefa efa tsy misy mahatahotra intsony izao."...Misy tahirintsoratra hafa ihany koa milaza fa taorian'ny niakaran'ny vazaha teto Antananarivo dia niafina tao andakozia teo ampitan'ny Kelisoa ny Printsy Rakotomena fa tsy nety natory tao amin'ny tranony tao Kelisoa intsony noho ny tahotra ho samborina...;Raha ireo voalaza ireo no raisina dia mbola nijoro teo izany ny Lapa Kelisoa taorian'ny nitifiran'ny tafika Frantsay tao Anatirova.
Angamba (raha ny fijeriko manokana) dia anisan'ireo Trano narodana taorian'ny nandefasana sesintany ny Mpanjaka Ranavalona III izy io (tahaka ny nanaovana ny Lapa Tasarahafatra tetsy atsimony)

NB: Raha ny fandinihako manokana ny fipetrak'ireo Andry vato sisa mijoro eo amin'ny toerana nisy ny Lapa Kelisoa diaa heveriko fa efa somary nafindra toerana izy ireo taty aoriana, ka tsy manaraka ny filaharany tany am-boalohany intsony.

Ny *Printsesy RAZAFINDRAZAKA sy ny didim-pananan-dRanavalona IITsy vitsy no efa mahafantatra ity tantara manaraka ity, s...
03/05/2026

Ny *Printsesy RAZAFINDRAZAKA sy ny didim-pananan-dRanavalona II

Tsy vitsy no efa mahafantatra ity tantara manaraka ity, saingy ho zaraiko ihany ho an'izay tsy mbola mahafantatra. Ny Printsesy Razafindrazaka (anaty faritra menamena eto amin'ny sary) dia Zanakandriana Ray sy Reny, ary anisan'ireo Zaza natsangana sy notinaizan'ny Mpanjakavavy Ranavalona II. Ingahy Andrianaivo Razo rainy dia zana-dRavalontsalama terak'Andriamohara izay milevina eroa amin'ilay fasam-be ambony vatolampy eroa Ambatomanga. Ramatoa Raseheno reniny kosa indray dia zana-dRafaravavitsivery rahavavin'ny Mpanjaka Ranavalona II (iray ray fa samy hafa reny). Ny Andriana Razaka Ratrimo avy etsy Ambohitrantenaina io Ray nitambaran-dRanavalona II sy Rafaravavitsivery io. Raha atao kajy an-kandrina tsotsotra izany dia zafiafin-dRazaka Ratrimo ny Printsesy Razafindrazaka, ary azo heverina ho avy amin'io anaran-dRaibeny avy amin'ny reniny io no nahazoany ny anarany "Razafindrazaka".
Izay ny amin'iny fa tamin'ireo Zanakandriana maromaro natsangan-dRanavalona II ho zanaka dia anisan'ireo akaiky ny fony indrindra raha i Razafindrazaka. Ny 18 may 1883, izany hoe roa volana talohan'ny niambohoan'ny Mpanjaka dia nanoratra ny didim-pananany ity farany, dia Razafindrazaka sy ny Printsy Ramahatra zanak'anadahiny (izay novinadin-dRazafindrazaka rahateo) no nosoratany ho Mpandova ny fananany rehetra. Izay ihany koa no nahatonga ny fiheverana taty aoriana fa raha tena nisafidy tokoa izay ho Mpandova fanjakana i Ranavalona II dia tsy maintsy i Razafindrazaka no nofinidiny fa tsy Razafindrahety (Ranavalona III), akory araka ny fanambaran-dRainilaiarivony ny marainan'ny andro niambohoan'ny Mpanjaka...Na izany na tsy izany, Razafindrazaka dia tsy mba anisan'ireo nanana olana loatra tamin-dRanavalona III rehefa nanjaka ity farany. Ny fanambadiany tamin'ny Printsy Ratsimamanga anadahin-drenin-dRanavalona III taorian'ny fisarahany tamin'ny Printsy Ramahatra rahateo dia toa vao mainka aza nampifanakaiky azy kokoa tamin'ity Mpanjaka vavy farany tamin'ny Fanjakan'Andriana teto Imerina ity.
👉 Azonao vakiana ao anaty Kômantera ao ambany ny andinindininy amin'io didim-pananana nataon-dRanavalona II io (nalaina tao amin'ny tahirin'ny Arsivam-pirenena)
👉Ity sarim-pianakavian-dRazafindrazaka (nolokoina) hitantsika eto ity dia nalaina tamin'ny taona 1927, izany hoe efa 30 taona taorian'ny nanafoanan'ny Frantsay ny Fanjakan'Andriana teto Imerina.

Salama indrayFantatrao ve fa nantsoina hoe "Ankizy" na "Ankizin'olona" ihany koa ireo Andevo na Mpanompo fahiny teto afo...
17/01/2026

Salama indray

Fantatrao ve fa nantsoina hoe "Ankizy" na "Ankizin'olona" ihany koa ireo Andevo na Mpanompo fahiny teto afovoantany. Rehefa miantso hoe ny "Ankizin-dRakoto" na "Ankizin-dRabe", dia ny mpanompony na ny andevony izay no tiana ho lazaina. Angamba mety ho ireo Misiônera vahiny tonga teto no nampiasa io fomba fiantsoana ny "Mpanompo" ho "ankizy" io, mba tsy handratra sofina azy ireo loatra, sy mba hanalefahana kokoa ny fanavakavahana ara-tsaranga. Hitantsika tsara ohatra fa rehefa nandika ny baiboly tamin'ny teny malagasy izy ireo, nampian'ireo malagasy teratany maromaro dia nataony hoe "Ity aho ankizivavin'ny Tompo" no filazany azy, raha toa ka mazava tsara ny amin'ny teny anglisy "I'm the Lord's servant" sy frantsay "Je suis la servante du seigneur", ary ny amin'ny dikateny grika fa "Mpanompovavy na Andevovavin'ny Tompo"no ambara eto amin'ity andalana ity. Raha izay tokoa no izy dia azo heverina fa ny Fiarahamonina malagasy fahiny (tsy ny tao afovoantany ihany fa manerana ny Nosy)dia tsy nametraka fanontaniana velively ny amin'izay mahamety na tsy mahamety rafi-panandevozana, fa ny fomba fijery vaovao nentin'ny vahiny teto no nanova izany tsikelikely. Tsaroako eto ny notantarain'Itpkl Dr Radria Michel ao amin'ny bokiny izay milaza fa voasazin-dRenibeny mafy izy ireo fony zaza raha vao ren'ity farany manonona hoe "Andevon-dRanona", fa hoe "Ankizin-dranona" no fiteny! Taty aoriana dia mbola ampiasaina matetika io teny hoe "Ankizy" io rehefa miantso ny Mpanampy ao an-trano, ary indraindray na tsy mpanampy ao an-trano aza fa Mpiasa amin'ny orin'asa dia toa mahazatra ny sasany ny miantso hoe: "Lazao daholo ny ankizy!" na dia efa misy olon-dehibe efa 50 taona aza ao. Ny somary mahatsikaiky sy mahavariana ihany koa taty aoriandriana dia nanjary fomba fiantsoan'ny lehilahy ny olontiany (vady na fofombady) ihany koa ny hoe "Ankizy" (Mbola hitsena ny ankiziko!, Tsy maintsy mody sao bedin'ny ankizy 😁sns sns )

Sary nalain'i William Ellis teo anelanelan'ny taona 1863-1865: "Ramatoa Rasoa, tompon'ny Trano nipetrahan'i Ellis tao Antsahatsiroa sy ireo Mpanompony) - Nolokoina

11/01/2026

Miarahaba indrindra tompoko!

Tsy hisy fizarana indray aloha anio fa izaho no saika mba hila fanampiana amintsika Mpanaraka izay mety hahalàla:
Sao mba misy mahafantatra azafady indrindra hoe aiza ho aiza eto Madagasikara no misy ilay Tanàna antsoina hoe " "?
Ilaiko amin'ny fikarohana sy ny fanoratana ny anakiray amin'ireo bokiko eo andalam-panatanterahana izay mitantara ny "fiainan'ireo nantsoina hoe Andevo teto Imerina nandritra ny tapany faharoa tamin'ny taonjato faha 19"ny mombamomba io Toerana io.
Araka ny tantara hitako anaty arsiva, dia toerana tao Imerina izay tena nahabe ny "razzia sakalava" hatramin'ny ela izy io, Ka vinavinaiko hoe mety any amin'iny Faritra Moyen-Ouest iny ve? Ny Arsiva izay miresaka io toerana io dia tsy milazalaza izay misy Ilay Toerana, torak'izany koa ny Saritany izay nojereko, na ny taloha na ny ankehitriny. Asa mety efa niova anarana ve ilay "tanàna" taty aoriana? Tsy haiko tsara, fa izay no mba hilàko fanampiana raha mba mety hisy ahafantatra.

Misaotra mialoha

Faly miarahaba antsika rehetra noho izao fahatongavan'ny Taona vaovao 2026 izao, ary mirary ihany koa raha mirary taom-p...
02/01/2026

Faly miarahaba antsika rehetra noho izao fahatongavan'ny Taona vaovao 2026 izao, ary mirary ihany koa raha mirary taom-pahasoavana ho an'ny tsirairay, ka samy haha-to izay kinasa, ho lavitry ny rofy, ho tahian'Andriamanitra.

Efa elaela tokoa tsy nizara teto amin'ny pejy noho ny fotoana tery dia tery sy tsy nananam-piry tatoato, ka ity fizaràna tsotsotra ity no entiko hisantarana ny taona vaovao. Fotoana mahabe ny lanonana sy ny fanasàna isankarazany rahateo izao fiandohan'ny taona izao, koa heveriko fa tsy mivaona amin'izany ity lohahevitra izay ho resahintsika ity.

"Samy manana ny Fombany!" Tena marina io, ary indraindray aza mampifanditra mihitsy satria ny "fahalalam-pomba" ho an'ny sasany, mety ho raisin'ny hafa ho "Tsy fahalalam-pomba". Maro be ireo ohatra azo raisina, fa ity anakiray ity no somary nahavariana ahy:
Teo amin'ny Ntaolo Malagasy (indrindra ny teto anivon-tany) , rehefa misy fanasàna na avy manatrika lanonana izay ahitana fihinanana, dia anisan'ny fahalalàm-pomba ny "Mitondra hanina mody", ho an'ireo mijanona any an-trano, ka tsy afaka nanatrika ny lanonana. Dia mahavariana satria amin'izao vanim-potoana izao dia ny mifanohitra amin'izany no heverina ho fahalàlàm-pomba. Ary matetika aza dia mahazo fosa sy eson-teny ireo izay manao izany.
Nisy antony anefa io fomba io, araky ny fanazavan'Itompokolahy Andriamifidy, Mpanangona sy mpahalala zava-tranainy, tao amin'ny lahatsoratra (Fomba fanajàna ny fanaon'ny Ntaolo) izay nosoratany 116 taona lasa izay.
Hoy indrindra ity Raiamandreny be ity: " (...) Raha mivahiny, ka misy sakafo tsaratsara na voankazo, indrindra amin'ny fanasana lehibe, dia mitondra mody; ary raha sendra tsy mitondra aza dia toloran'ny tompon-trano hoe: Vimbino ho an'ny ankizy ity!Ny tsy mba nitondra ho an'ny any an-trano dia nataon'ny Natolo hoe: Amboa maka valala: Ny kibo no fenoina dia mody. Noheverina fa famantarana ny fitiavana sy fahatsiarovana ny any an-trano ny fanaovana izany, ka noderaina ho tsy mahatelin-kely izay mivimbina (...)"
Dia eto vao tsaroako tokoa fa rehefa mamaky ireo tahirintsoratra fahiny mitantara fanasàna sy fiarahamihinana, eny na tao Anatirova aza dia tsy maintsy misy foana eny amin'ny farany hoe: "Dia samy mbola nitondra nody ireo olona rehetra nanatrika...". Mahavariana tokoa!

NB: Etoana dia tiako no manamarika fa tsy dia ny hilaza loatra izay fomba mety na ny tsy mety, no tanjon'ny ranty, fa te hampahafantatra fotsiny izay fomba fanao fahiny, sy izay mety ho antony.

*Sary fanehoana (nolokoina)

Androany ny tsingerintaona faha 164 taona nahaterahan-dRazafindrahety izay lasa Ranavalona III, ary tsingerintaonan'ny f...
22/11/2025

Androany ny tsingerintaona faha 164 taona nahaterahan-dRazafindrahety izay lasa Ranavalona III, ary tsingerintaonan'ny faha-142 taona nisehoany tamin'ny Ambanilanitra tetsy Imahamasina. Eo am-panomanana Ranty ho zaraina eto amin'ny pejiko mahakasika izay aho, no nahatadidy tampoka ity Rangahy eto amin'ity sary ity. Inona angaha no ifandraisany? Raha rohim-pihavanana aloha dia tsy misy, saingy ity Ranamana ity sy ny vadiny dia anisan'ireo Tanora malagasy afaka nahita sy nihaona tamin'ny Mpanjaka Ranavalona III tao Paris nandritra ny fandalovan'ity farany tao an-toerana ny volana jona 1901, izany hoe tamin'ny fotoana naha-sesintany azy. Anisan'ny fotoana nanamarika azy manokana io andro iray nihaonany tamin'ny Mpanjaka io, ary notantarainy matetika fony fahavelony. Ny zavatra anakiray mba tena nahafinaritra azy sady mba tena tsy ariny hono, ka notantarainy matetika tamin'ireo manodidina azy, dia izao Ranavalona III nitendry piano izao (Io no nahafantarako hoe hay ve nahay mitendry piano ny Mpanjaka). Manana sary maromaro ihany koa Ranamana izay nasian'ny Mpanjaka sonia fahatsiarovana, mbola tamin'io andro io ihany. Tamin'ny androm-pahavelomany dia nataony ho toy ny raki-tsarobidy ny fitahirizana ireo sary ireo (ka asa na mbola voatahirin'ireo havany na tsia)... : Iza ary izy?

Anisan'ireo Malagasy tena nanam-pahaizana izy. Teraka tamin'ny taona 1873, izany hoe 28 taona izy tamin'io fotoana nihaonany tamin-dRanavalona III tany Paris io (Ny fianarana ho Mpitsabo no nataony tao, ary nanomboka tamin'ny taona voalohany mihitsy izy no niakatra, na dia anisan'ireo Mpianatra ho Mpitsabo tao amin'ny Sekolin'ny Mpitsabo notantanin'ny Misionera anglisy sy Norvezianina (MMMA) ihany aza izy tamin'ny faha-tany Gasy.
Raha ny firazanana indray no resahina dia azo lazaina ho taranak'olona nanana ny nahaizy azy tamin'ny faha-tany gasy ny fianakaviana nipoirana. Ingahy Rasatranabo (Rainandrianandraina), izay ambasadaoro nalefan-dRasoherina niaraka tamin-dRainifiringa Ralehimaholy tany Frantsa sy Englanda no raibeny (avy amin-dreniny). Ny Rainy indray (Ingahy Ramanandray) dia manamboninahitra tamin'ny andron-dRanavalona I, saingy naongan'ity farany ho vata-miaramila noho ny maha-kristianina azy. Taty aoriana kosa vao naverina tamin'ny Voninahiny, ary efa nisy fotoana aza moa voatendry ho Lefitrin'ny Kômandy tany Maroantsetra. Raha ny tantara lovantsofina nangonin'ireo Fianakaviany sasany dia Andriana naongana ho hova ny fianakavian-dRainy, saingy raha ny tahiry ato amiko dia tena Hova Tsimahafotsy teo Ambohimanga mihitsy izy ireo, ary io tany nanorenana ny Fiangonana EKAR ao Ambohimanga Rova io aza dia misy ampahany izay an'ny raiamandrenin'Ingahilazo (Ralazo) raibeny, izay nifindra taty Andrainarivo taty aoriana. Anisan'ireo fianakavian-drainy nalaza tamin'ny faha-Mpanjaka ihany koa ry Ingahy Dadamanga (rahalahin-dRamanandray rainy) izay anakiray tamin'ireo Mpanjaitra ny amborodaon' Andriana fahiny (Amborodao=EN. embroidery= FR. Broderie).

Ankoatra izay, dia anisan'ny nampiavaka azy ihany koa (ankoatra ny teo amin'ny amin'ny maha Mpitsabo azy), ny maha Mpiaro sy Mpandala ny "Libre-pensée" azy. Iza tokoa no tsy nahalala tamin'ireo manodidina azy fa Mpikambana Faramasao tao amin'ny Grand-Orient de France i Ranamana. Izay angamba no nahatonga an'Ingahy R.Ralarosy, havany akaiky, sady zaza notinaizany rahateo nilaza tamin'ny fotoana iray izay natokana ahatsiarovana azy fa: "Misy mahagaga, na mety ho tsy nampoizina ihany, anefa, tamin' ny fiainany. Zanak' olona nenjehina noho ny fivavahana izy, nefa tsy teo amin' izay tokony ho nanantenan'ny misionera azy ho isan' ny mpanohana mafy ny fiangonana". Raha tamin'ny vanim-potoana niainany dia zavatra tsy miara-dalana loatra ny resaka Faramasaoneria sy ny Kristianisma (Tsy haiko na hatramin'izao fa izaho moa tsy dia mahalala loatra iny resaka iny)

Oadray! Varian-dresaka teto koa aho dia adinoko hatramin'ny namaly ilay fanontaniana tetsy ambony hoe iza moa ity Ranamana ity? : Izy no Dr Gershon RAMISIRAY ( 1873-1930). Raha ny arsiva eto am-pelatanako dia ny 19 aogositra 1930 (andro talata) no nandevenana azy tetsy amin'ny fasan-drazany tetsy Andrainarivo ( Raha tsy diso aho toa efa nafindra any Antsampandrano akaikin'Ambatolampy ny razana taty aoriana)

Miarahaba!Andao ary mba hiaraka hamaky   kely indray:Ity soratra tranainy hitantsika eto ity dia ampahany tamin'ny tarat...
20/11/2025

Miarahaba!
Andao ary mba hiaraka hamaky kely indray:

Ity soratra tranainy hitantsika eto ity dia ampahany tamin'ny taratasy nosoratan'i Antony Jully (eo ankavanana) ho an'Ingahy Rainilaiarivony Praiministra tamin'ny 23 septambra 1893 (132 taona lasa). Antony Jully, ho an'izay tsy mahalala dia Mpahay mari-trano (Architecte) frantsay nivoaka tao amin'ny Ecole des Beaux-Arts tao Paris. Tamin'ny fotoana naha-Solotena maharitry ny Fanjakana frantsay teto Madagasikara an'Ingahy Le Myre de Vilers no nahatongavan'i A.Jully teto Madagasikara. Anisan'ny tena nahafantarana azy dia izy no nanao ny lapan'Ambohitsorohitra izay notokanana ny 14 jolay 1892. Fa tetsy andanin'izay dia tsara ho fantatsika ihany koa fa nalain-dRainilaiarivony Praiministra ho "Architecte" ho karamaina sy hiasa ho an'y Fanjakana malagasy koa Ingahy Jully. Ankoatran'ny maha "Architecte" dia voalaza fa havanana tamin'ny raharaha maro hafa mikasika ny tao-zava-baventy ihany koa Ranamana, toy ny fanaovan-dalana, sns. Maro ireo karazam-bina (projets) natolony ny Fanjakana ho tanterahina tamin'izany, ka anisan'ireny ny hampidirana ny Jiro (électricité) sy ny hitarihina ny Rano teto Antananarivo. Ny momba izay indrindra no resahiny ato anatin'ity ampahany tamin'ny taratasy izay nosoratany ity izay mivaky toy izao manaraka izao(sic): "(...) Antananarivo dia hodidinin'ny lemaka mahafinaritra sy renirano. Nefa ny tanàna dia ankavoana ka tsy misy ranovelona tonga any Anatirova; koa ataoko fa mahafaly anao Tompokolahy raha mihevitra izay hampakarana ranovelona sy jiro any Anati-Rova aho, ka ny rano eny IKopa no hakarina. Ka sahy milaza aminao aho fa vitako izany, fa efa voadiniko tsara. Manantena aho fa sady hahafaly ny Mpanjaka sy hahafaly anao izany Tompokolahy, sady harena hiditra ho an'ny Fanjakana koa. Fa ny fanjakana dia hizarazara ny ranovelona sy ny jiro electrika amy ny isan-tranon'ny Gasy sy ny vazaha, fa fototry ny aina ny Rano sy ny jiro. Dia mandoa vola isam-bolana isan-trano kosa ho vidin'izany, tahaky ny any Eoropa", fa io jiro Elecktrika io dia ho maro vidy noho ny labozy, na ny solitany, ary ny ranovelona dia madio sy mamy, ary tsy misy zavatra mankarary(...)"

Tsy hiresaka manokana momba an'Ingahy Jully sy ny maha-Frantsay azy aho aloha eto, ary tsy hiresaka ny lafiny ara-teknika ihany koa izay tsy hananako fahaiza-mamakafaka rahateo, fa te hanamarika fotsiny hoe 132 taona lasa (1893) izany resaka izany no niseho. 132 taona aty aoriana, raha afaka nitsangana tao amin'ny fasany angamba ry Ingahy Jully sy ry Rainilaiarivony dia mety ho gaga ihany hoe: "Ary toa mbola izany ihany no resaka re etsy sy eroa, manerana an'i Madagasikara" ...Taraiky isika !

Saingy ny tanjon'ny Tantara sy ny jery todika dia tsy sanatria ho famendrofendroana, fa kosa ho fampieritreretana, mba ahafahana miroso lavidavitra kokoa.

(NB: Ara-tantara dia Ingahy Jean Laborde no nanadrana voalohany nampiakatra sy nitarika ny Rano avy eny Ambohimalaza nankeny Anatirova, saingy noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika dia tsy tontosa hatramin'ny farany izany. Mbola nisy tamin'ireo fantsona nampiasainy tamin'izany no mbola hita sy tazana taona maro taty aoriana)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antipanahy Ramahery posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category