17/10/2025
Indrisy ry vakoka....
Natao inona, natao aiza..?
(somary lavalava)
Androany aho somary hivoaka amin'ny fizaràna mahazatra, ka mba hanao tora-po kely eto satria izao vao mba afaka maneho ny alahelo.
Ny volana jona 2024, tamin'ny fandalovana tany an-tanindrazana dia nikarakara fitsidihana narahim-panazavàna ho an'ny daholobe, izay niarahana tamin'ny Fikambanana Mamohaela tao Anatirova ny tena. Marihako fa tamin'io andro io no nidirako voalohany tao Anatirova taorian'ny nahavitàna sy ny nitokanana ny Lapa Manjakamiadana vaovao (*Vaovao hoy aho, satria amiko dia anarana sy ny firafitra ivelany sisa no maha-Manjakamiadana io Lapa io).
Efa fantatra mialoha ny nidirana tao ihany moa izany, ary ho ahy manokàna ny fomba nankaherezako tena sy nezahiko nampidirina tao an-doha dia hoe: "Izay efa lasa lavenona tsy hiverina intsony", ary ny atao hoe "fanarenana ny Rova" dia tsy ny fananganana ny vata-trano fotsiny ihany fa eo ihany koa ny famelomamaso ny tantara izay noraketiny, ka na tsy eo intsony aza ny Rova tena izy, ny tantara noraketiny kosa tsy ho levon'ny afo.
Dia nitohy ihany ny fitsidihana, ka tonga teo ambony atsinanana, izany hoe teo amin'ilay tokotany eo atsinanan'ny Lapa Manampisoa. Ny zavatra voalohany tazàn'ny masoko dia ilay "Kôlizea" nahabe resaka be. Izay aho vao nahita maso. Tsy haiko fa ny zavatra tena tsapako tao anatiko tao, ankoatran'ny alahelo, dia ny "HENATRA". Nahatsiaro menatra sy nanongo tena teo amin'ny toeran'ireo izay nanagana io zavatra tsy fampiseho masoandro io aho. Asa raha misy mahatadidy ireo izay nanatrika io tsidika io, fa nandritra ny fanazavana tantara izay nentiko tamin'io andro io niniako nodinganina,tsy nasiako teny akory fa nataoko toy ny tsy misy ny momba ny "Kolizeą" , mba entina nanehoana fa "Tsy ao anaty tantara io zavatra io", ka tsy mendrika ny handaniana fotoana ho resahina akory...Ny fomba nampitoniako ny saiko teto địa hoe: "Soa ihany fa mbola azo esorina io" (ary izaho manokana dia mankasitraka ny hanesorana azy hiala eo).......
Fa ity anakiray ity kosa no tena nampalahelo ahy indrindra, na dia tsy dia misy miresaka firy aza: Teo amin'io toerana izay nananganana io "Kolizea " io, no nisy ny fototra nananganana ilay Lapa saika naorin-dRanavalona III ho azy. Raha tsahivina kely ny tantara dia efa nisy lapa nataon-dRanavalona II teo izay nantsoina hoe "Masoandro", saingy noravàna tamin'ny taona 1890. Taorian'izay địa nampanao Lapa vaovao teo Ranavalona III. Efa nanomboka ny asa ary efa tafatsangana ny Fototra vato. Ireo vahoaka avy amin'Imerina enin-toko no nifarimbona nitaom-bato sy nanatanteraka ny raharaha rehetra izay natao. Rehefa raikitra ny ady tamin'ny Frantsay izay niafara tamin'ny faharavan'ny Fanjakan'Andriana, dia nijanona ny asa ary tsy vita intsony ny Łapa. Ilay fototra vato izay efa nijoro kosa dia nijanona teo ho "Vakoka manantantara". Eny, no iantsoana an'io satria vavolombelona nanamarika vanimpotoana iray lehibe teo amin'y Tantara. Nijoro teo foana io vakoka io, ary maro tamintsika no mbola nahita azy teo. Eny fa na ny Afo tamin'ny "Fahamaizan'ny Rova tamin'ny taona 1995 aza dia tsy nahalevona azy. Amiko dia io "Fototra vato" saika hanorenan-dRanavalona III ny lapany io no hany "vakoka" tao Anatirova tsy voakitiky ny afo.....Fa inona no nitranga, taona maromaro taty aoriana? Nisy olona anakiray tonga avy any, ary nanapakevitra tsotra izao fa ho ravàny sy ho fongorany teo ihany koa ity "vakoka sisa nijoro" ity. Toy ny miteny hoe mbola tsy ampy tsara ny nahamay ny Rova tamin'ny taona 1995, fa izay sisa tsy levon'ny afo koa mbola mila hongotana hatramin'ny fotony"....
Tsy haiko e, mba sain'inona loatra? Miała tsiny fa izao vao afaka miteny dia mba mamboraka ny alahelo...
Ajanoko eo aloha ny tora-po fa manantena aho fa mba tsy hiverina eto amin'ny firenentsika intsony ny toetra tsy mendrika manao zinona ny hasin'ny vakoka sy ny Tantara toy izany.
Misaotra namaky hatramin'ny farany
(Sary maneho ny endrik'ilay Fototra vato teo amin'ny toerana nanorenan-dRanavalona III ny Lapany )
Loharano: *ANTA - *Nolokoina