16/07/2026
Ny 18 jolay 2026, dia misokatra indray ho an’ny besinimaro ny ICMAA, miaraka amin’ny fampirantiana roa. Aseho miaraka amin’ny fampirantiana maharitra momba ny arkeolojia ny fampirantiana « Doria Vita Sokitra », izay mandalina ny zavakanto malagasy mifandraika amin’ny fandevenana, ary koa ireo fomba fijery ny fahafatesana, ny razana ary ny fitohizana ara-piarahamonina izay hita taratra ao.
Amin’ny alalan’ireo fasana, ireo zavatra ampiasaina amin’ny fombafomba ary sokitra manodidina ny fandevenana, ity fampirantiana ity dia mampiseho ny fomba anomezan’ny fiarahamonina malagasy sasany endrika ny fisian’ny maty, ny anjara toeran’ny razana ary ny fifandraisana misy eo amin’ny tontolon’ny velona sy ny tontolon’ny nodimandry. Mizara telo lehibe ny fizotran’ny fampirantiana: ny fanamasinana ny fiainana andavanandro; ny zavatra niainana sy ny nofy; ary ny herim-piainana, eo anelanelan’ny herin-dahy sy ny fahavokarana.
Novolavolain’ny Bureau domi sanji niaraka tamin’ny ICMAA ny fampirantiana, ho fanohizana ny asa natao tamin’ny mari-panondro vaovao sy ireo fitaovana fampitam-pahalalana ao amin’ny mozea. Tohanan’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara sy ny Amis de l’ICMAA izany. Manome voninahitra ireo mpanao sokitra, na fantatra anarana na tsia, izay nanome endrika ireo sanganasa ireo ihany koa ny fampirantiana.
📍 ICMAA, Isoraka — 17, rue Dr Villette
📅 Fisokafana: Sabotsy 18 jolay 2026 - Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro
Doria Vita Sokitra – Sculpter l’éternité
📅 Fampirantiana miserana: 18 jolay 2026 – 19 desambra 2026
🗓️ Talata hatramin’ny sabotsy : 9 ora maraina – 4 ora tolakandro
Tsy misy vidim-pidirana
🇫🇷 Le 18 juillet 2026, l’ICMAA rouvre ses portes au public autour de deux expositions. Présentée en parallèle de l’exposition permanente d’archéologie, Doria Vita Sokitra – Sculpter l’éternité explore les arts funéraires malagasy et les conceptions de la mort, de l’ancestralité et de la continuité sociale qui s’y expriment.
À travers les tombeaux, les objets rituels et les sculptures funéraires, l’exposition rend compte de la manière dont certaines sociétés malgaches donnent forme à la présence des morts, au rôle des ancêtres et aux liens entre le monde des vivants et celui des défunts. Le parcours s’articule autour de trois grandes séquences : le sacre du quotidien ; les vécus et les rêves ; la puissance vitale, entre virilité et fécondité.
Conçue par Bureau domi sanji en collaboration avec l’ICMAA, dans la continuité du travail mené sur la nouvelle identité visuelle et les supports de médiation du musée, l’exposition bénéficie du soutien de l’Ambassade de France à Madagascar et des Amis de l’ICMAA. Elle rend hommage aux sculpteurs, connus ou anonymes, qui ont donné forme à ces œuvres.
📍 ICMAA, Isoraka — 17 rue Dr Villette
📅 Ouverture au public : samedi 18 juillet 2026 - À partir de 14h
Doria Vita Sokitra – Sculpter l’éternité
📅 Exposition temporaire : du 18 juillet au 19 décembre 2026
🗓️ Du mardi au samedi : De 9h à 16h
Entrée libre