21/06/2023
"Misy,,,,"
Misy fo iray mitempo
Mba te ho anilanao
Misy olona iray misento
Vao mahatsiaro anao
Misy maso iray mitopy
Mijerijery anao
Misy fo iray miangoty
Tena tia anao
Misy fo iray potraka
Mba te ho tiavinao
Misy tanana mitoraka
Oroka mamy ho anao
Misy tongotra mamindra
Mitaditady anao
Mitady anao ilay tsara rindra
Mba te ho anilanao
Misy sofina te haheno indray
Ilay feonao tsara dia tsara
Misy fo iray te ho iray
Amin'ny fonao ry malala iray
NOMENA