14/04/2026
🔴 114 TAONA ANIO NO NIDONAN'NY TITANIC TAMIN'NY RANOMANDRY.
📌Feno 114 taona androany ny naharendrika ny sambo lehibe RMS Titanic.
📌Niainga tao Southampton ny 10 Aprily 1912 , nitondra mpandeha maherin’ny 2200, ary nikasa hihazo an’i New York City. Nahefa noheverina ho “tsy mety rendrika” aza izy tamin’izany fotoana izany, dia nifandona tamin’ny iceberg tamin’ny alin’ny 14 Aprily 1912.
📌Vokatry ny fifandonana, dia nilentika tao anatin’ny ora vitsy ny Titanic, ka nahafaty olona manodidina ny 1500. Maro tamin’ireo no tsy nahazo toerana tao amin’ny sambo vonjy, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fiomanana.
Anisan’ireo namoy ny ainy i John Jacob Astor IV, iray amin’ireo olona nanankarena indrindra eran-tany tamin’izany fotoana izany.
Araka ny voalazan’ny manampahaizana, ity loza ity dia nitarika fanovana lehibe teo amin’ny rafitra fiarovana an-dranomasina maneran-tany, anisan’izany ny fanamafisana ny fitsipika momba ny sambo vonjy sy ny fanaraha-maso ny dia an-dranomasina.